<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>604</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ento aho, ry Jehovah,
 Mpivahiny raha etý ;
 Tano aho fa malemy
 Raha tsy hazoninao
 // Mofon'aina //
 Ho fihinako anie !

[V2]
 Mba savao ny loharano
 Hahazoako ny soa ;
 Aoka hitari-dalana ahy
 Izay andri-rahonao,
 // Ry Tsitoha //
 Fiarovana Hianao.

[V3]
 Raha hita an'i Jordana,
 Ampandrio ny tahotro ;
 Ry Mpandresy fanimbana,
 Ento any Kanana aho !
 // Fiderana //
 No hatolotro Anao.</lyrics>
<title>Ento aho ry Jehovah FFPM604</title>
<author>W.B. Bradbury</author>
</song>